Actualités

TOAMASINA II Hain-trano mifono misitery


  • Talata 22 Jolay 2014

Tranga hafahafa no niseho tao amin’ny fokontanin’Antanandava Toamasina faha-2 amin’ny lalam-pirenena faharoa miala 6km an’i Toamasina renivohitra. Raha ny zava-nitranga, araka ny angom-baovao tany an-toerana, dia trano 12 no no may izay fivarotana sy fisakafoanana avokoa

. Nisy koa ny fanazavana fa tao amin’ilay trano niatombohan’ny afo, dia nisy zazavavy kely 4 taona izay taizan-drenikely sy ny tena rainy, voalaza fa may tao an-trano. Marihina fa efa tamin’ny 3 maraina no nitranga ny loza. Taorian'ny fifehezana ny afo nataon’ny mpamonjy voina avy eo anivon’ny kaominina Toamasina renivohitra, dia nokarohina ilay zaza nolazaina fa may sy maty, nampian’ny dokoteran’ny BMH eo anivon’ny kaominina ambonivohitra Toamasina. Gaga anefa ilay mpitsabo sy ny nanatri-maso fa fatim-biby no hita tao. Nanao izay hahitana ity zazavavy kely ny fokonolona saingy niala maina fa tsy hita popoka. Mihevitra ireo mpiara-monina ao Tanandava sy ilay rain-jaza fa mety novonoin’ity renikeliny na namidiny ny zanany, ka vokatry ny tahotra dia izao niniany nodorana izao ny trano mba hanamarinan-tena. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny zandarimaria Toamasina ny raharaha ka ho hita eo ny ho tohiny ao anatin’ny fanadihadiana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT