Actualités

Toamasina I Voatapim-bava ny Ben’ny tanàna


  • Alatsinainy 08 Martsa 2010

Araka ny baiko nataon’ny Tale jeneralin’ny SMMC tamin’ny fandaminana ny harofenitra amin’ny fandraisana fitenenana, dia tsy nahazo niteny ny Ben’ny tanànan’i Toamasina, ny Dr Gervais Rakotonirina, nandritra ny lanonam-pamaranana ny faha-2 taonan’ny SMMC ao Toamasina ny sabotsy lasa teo.

Hita taratra nanomboka teo fa nitatra ho politika ny lanonana faharoa taona, satria samy nidera tena teo avokoa ny mpikabary rehetra. Ny zavatra adino anefa, dia tsy tafapetraka teo amin’ny maha tale jeneralin’ny SMMC, Berthin Jean, raha tsy ny tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana. Nodiany tsy hita izany nandritra ny tantara fohy nataony momba ny nitantanany ity orinasam-panjakana ity. 

Ny minisitra Ranjatoelina kosa, dia niaiky nandritra ny lahateny nataony fa “nitondra olana goavana teto amin’ny firenena ny krizy ny taon-dasa iny, betsaka ny orinasa nikatona, nitombo ny tsy an’asa, tsy tonga ny mpandraharaha, tsy nanao ny asany ny mpanondrana entana sy ny mpanafatra izany ; soa fa tsy toy izany ny SMMC fa nahavita nanao ny asany sy nanome fahafaham-po ny mpiasa tao aminy”. Mbola nambarany hatrany fa “misy ny krizy iraisam-pirenena izao, nanampy trotraka izany ny krizy natao teto amintsika, tsy afa-miala amin’izany anefa isika, ka mbola hihamafy izany raha tsy misy ny fepetra raisina haingana”
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT