Efa mivolon’andro fety ny ao an-tanànan’i Toamasina
. Vita ny faran’ny herinandro teo ireo fotoam-bavaka iraisam-pinoana noho ny fetim-pirenena. Ankoatra izay dia efa mihafeno mpivarotra kilalaon’ankizy sy harendrina ary tsipoapoaka ny tsena. Efa mirenty ireo haingo samihafa ny araben’ny fahaleovantena ao Toamasina misy ireo jiro mahatonga lavitra mitaratra miainga eo anoloan’ny lapan’ny Faritany. Mitohy mijojo ihany anefa ny orana ao anatin’izany ary mamirifiry ny hatsiaka. Miezaka sy manantena ny hanao fety finaritra ny mponina na dia efa re indray ary izao fa mety hanao fitokonana amin’ireo fangatahana samihafa napetrany tamin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany ao Toamasina ireo mpiasa tratran’ny «Chômage technique» na fampiatoana ara-teknika mialoha io fetim-pirenena io.
Fanja Aina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.