Actualités

TOAKA GASY – PARAKY GASY – RONGONY Mitobaka ao Toamasina


  • Talata 12 Aogositra 2014

Nahazo vahana tao anatin’ny tetezamita sy mbola mahazo vahana hatramin’izao, ny fitobahan’ny toaka gasy sy ny paraky gasy ary ny rongony ao Toamasina. Raha ny rongony dia ireo tanora vao herotrerony sy ireo mpianatra mian-dahy miam-bavy no voasarika ankehitriny. Efa samy manana ny mpanjifany izy ireo ka ny fotoana sy ny “code secret” fotsiny no ifanaovana amin’ny fifidianana azy

Ny tena manaitra dia ireo renim-pianakaviana nisara-bady sy ireo raim-panakaviana very asa no mpivarotra azy ireo amin’ireo tanora, ka efa vita ao anaty sigara avy hatrany dia fohana no amidin’izy ireo amin’izany. Efa maro no tratran’ny mpitandro ny filaminana, saingy mbola betsaka ihany koa ny mitobaka. Amidin’ireo mpivarotra 200 ariaryny fonosana iray, misy kosa ireo lehibe be kokoa izay amidin’izy ireo 500 ariary. Ny resaka toaka gasy kosa dia tsy ny ao Toamasina loatra no tena mpanjifa azy ireo fa ny eto Antananarivo, saingy mpamokatra izany no atao ao Toamasina II sy ny manodidina azy. Efa hain’ireo mpivarotra azy ny manafina izany ao anaty lasaka, ary efa misy koa ireo fiara vaventy sy mpamily taksibrosy mpiara-miasa amin’izy ireo no andefasana ny entan miakatra an’Antananarivo. 1.000 ariaryny litatra hividianana azy, hamidy 2.000 ariary eto Antananarivo, ary 100ariary isaky ny litatra ny fitondrana azy. Ny faran’ny herinandro teo dia nisy tratra tao Toamasina izay mifantra 200 litatra nozaraina tamina zerikana 10 amin’ny 20 litatra. Olona roa no tratra sy niakatra fitsarana momba ity toaka voarara ity. Eo amin’ny paraky gasy kosa dia varotana toa mivarotra “bonbon voanjo” izany eny an-tsena sy an-tsisin-dalana ankehitriny ao Toamasina. Tsy misy fisavana sy tsy misy sakana, ireo mpanjifany koa efa zatra ka mividy azy tsy amin’ahiahy. Amidy 100 ariary ireto paraky gasy anaty fonosana “sachet” kely ireto ao Toamasina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT