Actualités

Tintin Ravonison Mpiaro vazaha voaroaka hiala an’i Madagasikara ?


  • Talata 23 Jona 2015

Raharaha iray mbola arahin’ny maro akaiky ny amin’ireo vazaha roalahy, Moyon Alain Maurice Marcel sy Llinarčs Lucien Jean Marie, namoahan’ny minisiteran’ny Atitany didy fanapahana tamin’ny 1 jona 2015 manafoana avy hatrany ny «Visa» na fahazoan-dalan’izy ireo hipetraka eto

 

Madagasikara ary mandidy azy roalahy ireo hiala eto Madagasikara tsy misy hatak’andro noho izy ireo voarohirohy amina raharaha kolikoly sy fisolokiana samihafa, ary voatondro ho manohintohina ny filaminam-bahoaka ary mampidi-doza amin’ny fiarahamonina ara-toekarena sy sosialy ary politika eto Madagasikara. Raha manontany ny maro ankehitriny hoe efa lasa ve ireo vazaha ireo, dia ilay Malagasy Tintin Ravonison no anisan’ny nijoro miaro azy ireo, amin’ny haino aman-jery sy amin’ny tambajotran-tserasera. Fihetsika somary manaitra ihany ary mampametra-panontaniana. Misy ifamatorana amin’izy roalahy ireo angaha izy ka manao izay tsy hampiharana ny didin’ny Fanjakana ? Re koa fa misy minisitra iray voatonontonona ho manao izay hampandamoka ny fampiharana io fanapahana navoakan’ny minisiteran’ny Atitany io. Tsiahivina fa efa voaroaka hiala teto Madagasikara ireo vazaha ireo tamin’ny 2009, araka ny fanapahana laharana faha-022-MI/SG/DGAT/SCE tamin’ny 03 febroary 2009 ary voarara tsy mahazo mandia an’i Madagasikara intsony, nefa dia tafaverina mangingina eto indray izy ireo.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT