TILY ETO MADAGASIKARA

Hanatanteraka lasy mbola tsy nisy tao anatin’ny 100 taona


  • Talata 30 Jolay 2024

Hanatanteraka lasy tsy mbola nisy tato anatin’ ny 100 taona nijoroany ny Skoto Tily eto Madagasikara.

Ny datin’ny 01 ka hatramin’ny 05 Aogositra ho avy izao no hanatontosana izany izany hoe : hanomboka afaka rahampitso Alakamisy izay lasin-jobily fankalazana ny faha-100 taona niorenan’ny Fikambanana. Eny Fihaonana Ankazobe PK 55, lalam-pirenena fahaefatra no mifanao fotoana ny Tily rehetra ka ny Talata 30 Jolay dia efa afaka miditra manomana ny toerany ny mpilasy rehetra. Ny Alakamisy 01 Aogositra amin'ny 08 ora sy sasany maraina kosa no hanaovana ny fanokafana ny hetsika amim-pomba ofisialy, hotronin’ireo manam-pahefana sy mpiara-miombon’antoka isan-karazany, ary azon’ny daholobe hatrehina.Tily miisa 10.000 mahery avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no hifamotoana hiara-paly sy hikorana eny an-toerana mandritra io herinandro io. Hampiavaka ny lasy moa ny fisian’ireo karazana lalao sy sahan’asa efa nahafantarana ny skoto hatramin'izay ahitana ny teknika skoto isan-karazany, ny fiainana an-kalamanjana, sns... Toraka izany koa ny fisian'ireo endrika lalao hahafahana miaina ny toe-tsaina sy ny fanabeazana skoto amin'ny endriny manintona ny tanora ankehitriny toy ny jeux vidéo, ny fiarahana manao fizahan-tany amin'ny moto… Anisan'ny tanjaky ny skotisma ny fahaizana manolotra tolotra ara-panabeazana mivoatra sy manintona nefa mivoy hatrany ny toe-tsaina skoto. Filamatra hiainan’ny mpikambana mandritra ny fankalazana moa ny marina, mipaka ary matanjaka.
Pati
Legende : Tahaka izao ny hamaroan’ireo ankizy mpikambana ao amin’ny Tily eto amintsika !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT