Tian’ny mpitondra ankehitriny ny mitsidika Orinasa ao Vakinankaratra tato ho ato. Raha ny fandinihana azy dia misy ambadika hafahafa ny fitsidihana satria toa ireo Orinasa tantanan’ny Frantsay ihany no tsidihina hatreto
Nanamafy ny mpitantana ny Vondrona Socota fa izy no nanasa ny Praiminisitra nandritra ny fitsidihana farany ny Alatsinainy lasa teo. Nisy ny fivoriana tsy azon’ny mpanao gazety natrehina nandritra ny ora iray teo ho eo nialoha ny fitsidihana. Nandritra ny lahateny nialoha ny tafa tamin’ny mpanao gazety dia nanambara ny mpitantana fa azon’ireo mpandraharaha izay nanantrika teo atao ny mamorona asa 650.000 ka hatramin’ny 700.000 isan-taona hatreto ary vonona ny hanohana ny Governemanta mijoro ankehitriny izy ireo. Dia lasa ny saina. Raha tsiahivina, iray volana lasa izay dia ny minisitry ny Indostria ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina no nitsidika ity orinasa ity, avy eo dia tao amin’ny orinasa Tiko ary nampanantena ny hitady hevitra hanodinana azy io faran’izay haingana. Midika ve izany fa valin-kafatra tamin’ny fitsidihan’ny minisitry ny Indostria ny Tiko Andranomanelatra no anton’ity fitsidihan’ingahy praiminisitra ity mba hilazana fa afaka manolo tsara ireo asa very tao amin’ny Tiko ny vondrona orinasa Frantsay ao Vakinankaratra ? Raha tsiahivina, nanotrona ity fitsidihana ity avokoa ny Tale jeneralin’ny orinasa goavana eto Madagasikara na ny lefiny toy ny BOA, BNI, BMOI, Socolait, Star, Holcim, Sacimem, sy ireo hafa izay saika vondrona orinasa vahiny manao ampihimamba ny fitantanana ara-toekarena eto Madagasikara amin’izao fotoana. Raha izany zava-mitranga izany no jerena dia azo antoka fa hampandeferina indray aloha ny fanokafana ny orinasa Tiko. Ny tena mampanahy dia ho avy indray ny antsojay isan-karazany hanakanana ny fisokafany. Toa miseho lany indray, araka izany, ny fanapotehana ny orinasa Malagasy manana ny maha izy azy sy ny fanomezana vahana ireo orinasa vahiny izay sady mividy tany etsy sy eroa no manam-bola hananganana orinasa isaky ny mihetsika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.