Actualités

THIERRY RAMAROSON « Efa miala aina ny indostria malagasy… »


  • Alakamisy 18 Septambra 2014

Ny fitobaky ny entana vokatra avy any ivelany mameno tsena eto amintsika izay tsy manara-penitra miampy ny eto an-toerana ratsy kalitao tsy ara-pahasalamana manenjika tsena mora, dia mampitotongana ny fanjifana ny vokatra vita malagasy. Ambany ihany koa ny fari-piainan’ny malagasy ary tsy misy ny politika matotra ho fiarovana ny indostria sy ny mpandraharaha malagasy, ka mahazo laka ny vahiny mpanao rapa-dango, zara raha mamorona asa ho an’ny Malagasy amin’ny fampiroboroboana ny toekareny.

 Vokatra avy any ivelany tsy manara-penitra

 

 « Miala aina fa tsy marary intsony ny indostria malagasy amin’izao, ka mila tosika avy any amin’ny fanjakana amin’ny fametrahana politika mahomby mba hampiroboroboana azy indray, satria firenena an-dalam-pananganana indostria isika, ka ilaina ny fampiharana ny lalàna, indrindra ny lalàna nivoaka ny taona 2005 momba ny fenitra famokarana sy fivarotana savony sy vovo-tsavony, ary ny fifaninanana ara-drariny sy fandoavan-ketra mitovy na ho an’ny teratany na vahiny. Satria raha ny hita hatramin’izay dia nomena tombon-dahiny foana ny vahiny zara raha mandoa hetra ny vahiny. Lasa tompony mangataka ny atiny ny mpandraharaha malagasy », hoy Atoa Thierry Ramaroson, tale jeneralin’ny orinasa « Savonnerie Tropicale », nandritra ny tafa manokana nifanaovana taminy omaly antoandro tetsy amin’ny toeram-piasany Ankorondrano. Ny tanjontsika nefa, hoy  ity mpandraharaha manambady manan-janaka roa ity dia « manjifa ny vita gasy, tombony ho an’ny rehetra ». Tsy ho tratra anefa izany, hoy hatrany ny fanazavany, raha tsy miara-misalahy sy manana hambom-po mampiboiboika ny fitiavan-tanindrazana ao anatintsika isika malagasy.

 

Manana fanantenana amin’ny ho avy

 

Nomarihany fa nanomboka tamin’ny taona 1967 niforonan’ny orinasa « Savonnerie Tropicale » dia 10 000 taonina isan-taona no vokatra azo, kanefa amin’izao 20% no azo vokarina sy jifaina eto an-toerana, noho ny fifaninanana tsy ara-drariny. Na izany aza, manam-panantenana amin’ny hoavin’ny indostria malagasy ny tenany raha ny politika sy ny finiavana ataon’ny minisitry ny Indostria amin’izao, ny Dr Jules Etienne. Sambany, hoy izy tao anatin’ny 47 taona nisian’ny orinasa « Savonnerie Tropicale » izay natsangan-drainy mampiasa olona 700 mahery ankehitriny no nisy minisitra nitsidika ity orinasa ity, afa-tsy ny minisitry ny indostria amin’izao, ny volana aogositra teo. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa anisan’ny vokatra aparitak’ity orinasa ity ankehitriny ny savony « Ravinala » takatry ny fahefa-mividin’ny Malagasy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT