Ny 25 sy 26 novambra izao no ho tontosaina etsy amin’ny Kabaka Analakely ny fifantenana ireo 30 lahy sy 30 vavy hanohy ny dingan’ny fifaninanana milatro vaovao taorian’ny fihibohana, The Red Carpet.
Tanjona, raha ny fanazavan’ireo mpikarakara ny hetsika, ny hifantenana ireo tovolahy sy tovovavy heverina ho mendrika eto Madagasikara. Hanaraka fiofanana manokana ireo tanora 15 taona no miakatra voafantina amin’izany aorian’ity fifantenana ity. Ny 6 febroary 2021 kosa no hanatanterahana ny lalao famaranana, hoy hatrany ny mpikarakara. Nomarihina moa fa fenitra takiana voalohany amin’izany ny refy 1,65 metatra no miakatra ho an’ny tovovavy ary 1,70 metatra no miakatra kosa ho an’ny tovolahy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.