Tetikasa Volobe, fikarohana mpamatsy vola,…

Miandrandra ny Africa 50 indray ny Fitondrana


  • Alarobia 18 Septambra 2024

Tanterahina eto Madagasikara eny amin’ny CCI Ivato ny 19 septambra izao ny fivoriam-ben'ny mpampiasa vola

amin'ny ao anatin’ny Africa 50 ivondronan'ny firenena afrikana 32 ahitana Banky Foibe roa aty Afrika, eo ambany fiahian’ny Banky Afrikanina ho an'ny Fampandrosoana na ny BAD. Mandeha ny seraseram-panjakana fa handray anjara amin'ny famatsiana ara-bola ny tetik'asa tetikasa Volobe ny Africa50 izay hampitombo 20% ny herinaratra ampiasain'ny Jirama ny Africa 50, araka ny Filazan’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison. Ny tetikasa Volobe izay raha ny serasera natao ny jona 2022 niarahana tamin’ny CGHV (Compagnie Générale d’Hydroélectricité de Volobe) dia hamokatra 120MW, ary ho vita ny 2026 ka tena ho tratra ve io ? Hisy ny fifanaovan-tsonia mikasika ny fifanarahana momba ny angovo, ary eo ihany koa ny fanomezan-dàlana ny Africa 50 hikaroka mpampiasa vola na mpanome vola (don) ho an’ny Madagasikara,… izay atao rahampitso alakamisy. Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Africa 50 omaly, fa mila fampiasam-bola 130 hatramin’ny 170 miliara Ar ny famatsiam-bola ilain’i Afrika amin’ny lafiny fotodrafitrasa araka ny tomban’ny BAD. Tsy misy na governemanta iray aza manana ny ampy amin’ny hoenti-manana ara-bola hanatrarana izany filana izany, ka mila mampiakatra ny fandraisan’anjaran’ny sehatra tsy miankina ho amin’ny famatsiam-bola ny sehatry ny fotodrafitrasa aty Afrika. Anisan’ny hanatrika ity Fivoriamben’ny Africa 50 ity ny Filohan’ny BAD Dr Akinwumi Adesina, raha ny fampahafantarana. Isan’ny antenain’ny Fanjakana Rajoelina fa hamonjy azy amin’ny fandresen-dahatra mpamatsy vola sy mpampiasa vola ary mpanome vola indray izany ity Africa 50 ity. Tsara ny mampahatsiahy fa efa nampiasa sy nanarama ny Cabine Rothschild & Co ny Fanjakana volomboasary, saingy tsy hita izay vokany ka ity indray izany no hanaovana serasera sy antenainy hitondra vahaolana. Betsaka izay serasera mikasika ny fifandraisana iraisam-pirenena sy fiaraha-miasa niaraka tamin’ny fifanaovan-tsonia izay fa ny vokatra aloha mbola tsy tsapa hatreto.


Andrasana indray izany izay ho akony entin’ny Africa amin’ny tetikasa Volobe satria efa betsaka ihany izay resaka sy sonia natao izay raha tsy hilaza afatsy ny tamin’ny volana jona 2022 nohamafisina mey ny 2023 niarahana tamin’ny (Compagnie Générale d’Hydroélectricité de Volobe), ary tonga indray ny sonia manaraka miaraka amin’ny Africa 50
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT