Tetikasa Tanamasoandro

Mitohy ny antsojay mahazo ny mponina


  • Talata 24 Jona 2025

Mitohy ny antsojay mahazo ireo mponina eny Imerintsiatosika,

distrikan’Arivonimamo misy ilay tetikasam-panjakana Tanamasoandro. Vao tamin’ny faran’ny herinandro teo mantsy raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Parisoa Andriambolanarivo dia nahare fitarainana indray ny tenany fa tonga any eo an-tokontanin’ireo mponina mihitsy ny bilodozera hitrongy ny trano sy ny fananan’ireo mponina. Eo ihany koa ny ramatahora …Raha ny tatitra henon’ny Ben’ny tanana hatrany dia tonga teny an-toerana mihitsy ny tale na ny tompon’andraikitra eo anivon’ity tetikasa ity nanao fanerena an-kolaka ireo mponina ireo ary nisy mihitsy raha ny fantatra ny feo voaray mifandraika amin’izany. Mandry andriran’antsy ny olona hoy ity Ben’ny tanana ity. Sarotra ny fiainana kanefa ny kely eo am-pelatanany indray no mbola esorina aminy koa. Tsy maninona ny miala nenina mba hanairana ny tompon’andraikitra hoy izy toy ny hoe : misy tanim-panjakana malalaka 340 ha ao Imerintsiatosika koa aleo ny tanin’olona tsy hatao expropriation. Mitaintaina toy ny soabakaka ambodirindrina ny mponina hoy izy nefa ny andro ny fety koa avelao izy ireo mba hiaina milamina.
Pati
Legende : Tsy sakana ho an’ny tetikasa Tanamasoandro ny mponin’Imerintsiatosika fa tokony hatao amin’ny tanim-panjakana kosa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT