Raha ny tsilian-tsofina heno etsy sy eroa dia
fantatra fa nisy fanodikodinana ara-bola goavana dia goavana tao amin’ity tetik’asa PRODIGY (PROjet de Gouvernance DIgitale et de Gestion de l'Identité MalagasY) izay vatsian’ny banky iraisam-pirenena vola be ity. Raha jerena tokoa mantsy ny teti-bola ao dia maherin’ny 120 tapitrisa dolara izay hoe manodidina 500 miliara ariary any ho any. Indrisy nefa fa vitsy dia vitsy ny zava-bita ary raha ny heno dia mihoampampana izay tsy izy ny vidin’ny entana rehetra novidiana. Maro ireo teknisiana eo anivon’ny minisitera no mametra-panontaniana ankehitriny hoe : lany tamin’ny tena tokony ho izy ve izany vola be noraisin’ny fanjakana izany ary mba tena nisy vokany tamin’ny fiainam-bahoaka ve natao endrika ivelany tahaka ireo tetik’asa rehetra nataon’ny fitondrana teo aloha ? Ny tena fomba fanao, hoy ireo teknisiana, dia mody atao ambany dia ambany ny tolo-bidy ataon’ireo orin’asa mpiray tsikombakomba ka izy no voaray. Rehefa azony ny asa dia manao irony “avenant de facture” irony izy na hoe vidiny fanampiny ka lasa tahaka ny hoe tsy nisy ilavana azy ny nanaovana “appel d’offre” fa dia lasa lafo be ihany ny iafaran’ny vidin’ireo entana sy asa. Tsara ny mampahatsiahy, fa efa hatrany amin’ny aogositra 2022 no nanaovana serasera mipoapoaka, fa mikasika ny Prodigy izay niresahana fanovana ara-nomerika, nilazana fa hahazo ny anjarany ny faritra 23 manerana ny Nosy, nanehoana fa efa mandeha ny tetikasa, efa mandeha ny fandalinana, mijery ny toerana, ny fametrahana ny rafitra hanaovana azy,.. Faritra miisa 7 no nambara fa atao fitaratra na “pilotes”, ahitana kaominina 170 hanombohana azy,… 1,5 tapitrisa ny olona nambara fa kendrena voalohany, miakatra tsikelikely, ka ao anatin’ny 2 taona sy telo volana eo dia Malagasy 5 tapitrisa no ho vita », raha ny fampanantenana tamin’izany. Nambara fa misy ny fampitaovana teknika ara-teknolojika, ny angovo, herinanaratra, ny tambazotran-tserasera,.. ary tsy ny kaominina sy fokontany ihany fa hojerena hatrany amin’ny CSB satria misy teraka any, ny tribonaly ambaratonga voalohany, ka nilazana fa miara-misalahy amin’io ny Minisitera maromaro. 3 taona taty aoriana, tsy hita izay vokatra, tsy nisy mangarahara,…
MBOLA MITOHY?
Ny tena mahavalalanina ny rehetra dia ny feo mandeha fa mbola mitohy foana ny gaboraraka ankehitriny ary ireo olon’ny fitondrana teo aloha foana no mitady handrombaka ireo tsenam-barotra rehetra amin’ny vidiny mihoampapana. Maro ireo mangataka arak’izany ny hanatsaharana aloha ny fanomezana ireo tsena rehetra ary hamerenana ireo fombafomba rehetra momba an’ny fanomezana ny asa mba ahafahana mametraka ny mangarahara amin’ireo tsena rehetra eo anivon’ity tetik’asa ity. Maro ihany koa ny manantena fa mba hisy “Audit” ara-dalàna momba ireo asa rehetra ka mba ahafahana manadio na tsia ireo mpitantana rehetra teo aloha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.