Nosantarina tamin’ny fivoriamben’ireo minisitra avy amin’ny firenena frankofona andiany faha-34 ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana andiany faha-72 ao New York.
Nitarika izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy Henry Rabary-Njaka amin’ny maha filoha mpitarika ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) an’i Madagasikara. Lohahevitry ny dinika ny hoe : «Fandriampahalemana sy fampandrosoana ao amin’ny valan’i Frankofonia miray hina». Teboka nasiana tsindrim-peo manokana ny fisian’ireo trangana asa fampihorohoroana mianjady amin’ireo firenena maro manerantany. Resy lahatra rahateo ireo mpandray anjara tamin’ny lahadinika fa tontolo roa goavana mifampiankina tanteraka ny filaminana sy ny fampivoarana ny firenena tsirairay. Soso-kevitra avy amin’i Madagasikara moa ny fitsinjarana ara-drariny ireo harena misy eran’izao tontolo izao iadiana amin’ny tsy fandriampahalemana. Tsara ampiakarina ihany koa ny tahan’ireo tanora tsy an’asa eo anivon’ireo tany miteny ampahany na manontolo ny fiteny frantsay, hoy ny minisitra Malagasy. Voaresaka nandritra ny fihaonan’ity farany sy ny lehiben’ny diplomasia marokanina Nasser Bouri kosa ny fanatontosana ireo tetikasa fiaraha-miombon’antoka nifanarahan’ny roa tonta nandritra ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia tamin’ny taona 2016 toy ny fananganana hopitalin’ny reny sy ny zaza ao Antsirabe sy ny fitrandrahana ny lakandranon’i Pangalana.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.