Actualités

Tetikasa Lumitsits Mampihena hatrany amin’ny 10% ny vola aloa


  • Sabotsy 21 Jona 2014

Tokantrano 55.000 tamin’ny Fokontany 130 eto an-drenivohitra sy ny manodidina no efa voatsidika tamin’ilay tetikasa Lumitsits ifandrimbonan’ny WWF, minisiteran’ny Angovo, ny Jirama ary ny Fondation Telma.

 Takamoa miisa 220.000 no efa voatsinjara hatramin’ny 19 jona 2014 lasa teo. Tanjon’ny fandaharanasa ny hizara takamoa hatrany amin’ny 540.000 amin’ny tokantrano 150.000 hatramin’ny volana oktobra 2014. Maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana Lumitsits. Goavana indrindra amin’izany ny fitsitsiana sy ny fotoam-paharetany amin’ny lafiny rehetra. Eo amin’ny fitsitsiana, ohatra, dia mihena eo amin’ny 7 hatrany amin’ny 10% ny vola aloan’ny mpampiasa azy isam-bolana. Raha ny kajikajy indray dia maharitra hatrany amin’ny 9 taona ny faharetan’ny takamoa iray, izany hoe manome tahiry manodidina ny 7 hetsy Ariary isan-taona mihoatra amin’ny takamoa fampiasa andavanandro. Misy lafiny tsara ara-toekarena sy tontolo iainana ary ara-angovo ihany koa ny fampiasana ny takamoa Lumitsits, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny tetikasa. Ny fampiasana azy ity mandritra ny 7 taona dia hampihena ireo etona manempotra hatrany amin’ny 52.000 taonina sy ny tsy fisian’ny fahatapahan’ny herinaratra intsony. Ho an’ny orinasa Jirama manokana indray dia hosorohana ny fampiasam-bola fanampiny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT