Actualités

Tetikasa lehiben’ny fitondram-panjakana Mbola iantsoana mpiara-miombon’antoka hatramin’izao


  • Alarobia 15 Febroary 2023

Miantso ny mpiara-miombon'antoka ara-bola sy ara-teknika rehetra ny fitondram-panjakana amin'ny fanatanterahana ny drafitra ankapoben'ny fampandrosoana ny tambazotra ara-toekarena na « TaTom »,

hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Anton'ny nanatanterahan'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany, ny asa vaventy, ny fitaterana ary ny tanàna vaovao ny fihaonana an-databatra boribory omaly 14 febroary 2023 tao Anosy mba hahafahana manosika ny fampandrosoana ny toekarena malagasy izany. Tafiditra ao anatin'izany ny fanatanterahana ny vina amin'ny fanatsarana ny tananan'Antananarivo ao anatin’ny 15 taona hatramin'ny taona 2033. Ahitana ireo tetikasa lehibe toy ny Tanamasoandro, eo ihany koa ny fampifandraisana ny faritra avaratra amin'ny lalam-pirenena faha 3, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Efa ao anatin'ny fanatanterahana ny tetikasa « TaTom » isika amin'izao fotoana izao hoy ny nambaran'ny sekreteram-panjakana misahana ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana. Mbola iantsoana mpiara-miombon’antoka ihany, araka izany, hatramin’izao ireo tetikasa lehibe, 4 taona mahery nitondran’izao fitondrana izao, 5 taona eo ho eo nahavitan’ny fampihelezan-kevitra. Aiza ho aiza izany ilay hoe fampandrosoana tsy vitan’ny teo aloha nandritry ny 60 taona nefa vitan’izao fitondrana izao tao anatin’ny 5 taona? Sa ao anatin’izao 6 volana farany izao vao hanovokovoka.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT