TETIKASA LALANAY

Hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo kaominina amin’ny fikojakojana ny lalana


  • Alakamisy 05 Jona 2025

Kaominina miisa 7 ahitana an’Ambatomena, Ibity, Maneva, Ankaromalaza Mifanasoa, Vohitsaoka,

Mahazony ary Ambohimahamasina, ao amin’ny distrikan’Antsirabe II, Ambalavao ary Vohibato, faritra Vakinankaratra sy Matsiatra ambony no hisitraka tohana ara-teknika sy ara-pitaovana avy amin’ny tetikasa LALANAY iarahana amin’ny ONG lalana sy ny Fananga+, izay mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka. Toerana izay isany mamokatra eto Madagasikara saingy misedra fahasahiranana sy tsy manana famatsiam-bola ho entina mikojakoja ireo lalana ao aminy. Tontosa omaly tetsy amin’ny Motel Anosy ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ity tetikasa Lalainay ity izay haharitra 1 taona. Ankoatra ireo tohana roa ireo dia hisy ny fametrahana drafitra itantanana ny lalana kaominaly hoy Atoa RATSIMA Harinjato, filohan’ny ONG Lalana. Hizara roa mazava tsara izany ka ny tapany voalohany izay tena miompana amin’ny fametrahana ny drafitra fitantanana ary ny tapany faharoa mikasika indrindra ny fikojakojana ny lalana. Fiaraha-miasa feno eo amin’ny mpitondra ny kaominina sy ny rafitra najoro ary ny olom-pirenena rehetra mpahazo tombontsoa sy mpampiasa lalana kosa no hiantoka ny fahombiazan’ny asa ho atao rehetra. Hisy ny fifanakalozan-kevitra eny ifotony, ny fiofanana sy fanentanana ary fampitaovana madinika omena azy ireo ahafahan’ny ireto farany mikojakoja ny lalana mba tsy hisian’ny fahatapahana raha ny fanazavana. Antenain’ny eo anivon’ny ONG lalana ny hitaran’ity tetikasa ity amin’ny kaominina hafa.
Lalaina Rav

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT