Actualités

Tetikasa «Grand Tana» : Vonona amin’ny fiaraha-miasa ny Guanomad


  • Zoma 26 Febroary 2010

Mandray anjara mavitrika amin’ny tetikasa «Grand Tana» izay tetikasan’ny minisiteran’ny tanora sy alavoly ny orinasa Guanomad.

 

Nanolotra zezika guano milanja 500kg hampiasaina amin’ny fanajariana ireo zaridaina eto an-drenivohitra ity orinasa mpamokatra zezika biolojika ity ka omaly alakamisy no tontosa ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisitry ny tanora Ranaivo Serge sy ny Tale jeneralin’ny Guanomad, Rajaonary Eric. Santatra ambavarano ihany ny vita omaly satria mbola vonona ny hanohana ny Minisitera hatrany ny Guanomad amin’ny fanitarana ny tetikasa amina Faritra hafa raha ny nambaran’ny taleny.
Ny tetikasa «Grand Tana» moa dia ny famerenana amin’ny laoniny ireo fotodrafitrasa ampiasain’ny mponina eto an-drenivohitra sy ny manodidina ka tanora mpilatsaka an-tsitrapo no misahana ny asa. Famerenana amin’ny laoniny ireo zaridaina sy fandokoana biraom-panjakana sy lalana natokana ho an’ny mpandeha tongotra no asa sahanina amin’izany. «Fisaina vaovao no entina amin’ity tetikasa ity, amin’ny alalan’ny fanetsehana ny hambompon’ny tanora hiasa an-tsitrapo fa tsy voatery hosandaina vola hatrany», hoy ny Minisitry ny tanora raha nanentana ireo tanora tsy ankanavaka handray anjara amin’ny fifanomezan-tanana izy. Ankoatra izay dia nomarihin-dRanaivo Serge koa fa atao andrana ity tetikasa ity ary heverina ny fanapariahana azy manerana ny Nosy. 
Ny 15 febroary teo no niatomboka tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa «Grand Tana» tamin’ny alalan’ny fanajariana ny tsena sy ny fandokoana ny biraon’ny boriborintany ary ny kianja filalaovana teny Ambohimanarina raha amin’ny faran’ny volana martsa kosa ny fiafarany. Havoakan’ny minisitera tsy ho ela ny lisitr’ireo asa hatao sy ny daty hanatontosana azy.
 
Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT