Actualités

Tetikasa «Grand Tanŕ» 7 taona izao no niandrasana azy


  • Alakamisy 24 Jolay 2014

Resahana matetika tato ho ato ny tetikasa «Grand Tanŕ» na ny fanitarana ny renivohitra amin’ireo tanŕna manodidina toy ny distrikan’Atsimondrano sy Avaradrano na koa Ambohidratrimo.

Ny antony dia satria io no tena vahaolana maharitra amin’ireo karazana sakana tsy mampandroso ny fiarahamonina Malagasy izay mivangongo loatra ao anatin’ireo boriborintany 6 mandrafitra ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo distrika manodidina azy. Azo lazaina tsy mihambahamba fa tena efa sempotra sy tsy afa-miaina araka ny tokony ho izy intsony ny vahoaka. Anjakan’ireo mpampiasa vola sy ireo mpandraharaha matanjaka, ohatra, ny tontolon’ny varotra sy ny fifanakalozana raha mionona amin’ny fidiram-bola manify sy zara raha mahavelona ny ankamaroan’ny mponina. Tetikasa mila tanterahana maika anefa izy io satria na io olan’ny mpivarotra amoron-dalana sy ny sehatry ny fitaterana amin’izao fotoana izao io aza dia hivaha avy hatrany aorian’ny fanatontosana ny tetikasa fanitarana ny tanànan’Antananarivo. Tsara ihany ny manamarika fa efa tao anatin’ny fandaharanasan’ny fitondrana Ravalomanana ny tetikasa «Grand Tanà» tamin’ny taona 2007 saingy noho ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 dia tsy tanteraka izany. Inoana anefa fa hanana fahasahiana sy finiavana hanatanteraka izany ny mpitondra fanjakana vaovao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT