Tetikasa fitrandrahana fasimainty sy monazite

Nanamafy ny fanoherany ny Fikambanana FIMAMA


  • Zoma 16 Febroary 2024

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Bon accueil Ambatonakanga ny

fitsanganan’ny fikambanana FIMAMA, izay hivondronan’ireo olompirenena tsy mankato ny tetikasa Bas Mangoky (P2) sy Base Toliara. Nanao fanambarana izy ireo fa solontenan’ny vahoaka voakasika mivantana amin’ireo tetikasa voalaza ireo. Manamafy ny fanoheranay ny fikasan’ny tetikasa Base Toliara hitrandraka fasimainty sy Monazite amin’ny tanindrazanay izahay, hoy izy ireo. Manohitra ny fomba fakàna ny taninay avy amin’ny alalan’ny tetikasa fanajariana vaovao atao ao Bas Mangoky izay mahakasika kaominina miisa 3 dia Tanandava station, Ambahikily, Morombe. Tsy ekenay ny fampiharana ny lalàna vaovao momba ny tany misy tompony nefa tsy misy titra izay mitaky ny fananana kara-tany hanaporofoana ny zo fitompoana. Toherinay koa ny fampiasana tsy ara-drariny ny «Déclaration d’utilité publique» ho an’ny tetikasa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Takiana ny hanatsaharana tanteraka ny fikasàna hamerina indray ny tetikasa Base Toliara, izay efa hita fa tsy mitondra vokatsoa ho an’ny vahoaka eny ifotony sy mampisara-bazana ny fiarahamonina. Takiana ny hamerenana ny tanin’ireo fokonolona voakasiky ny tetikasa atao ao Bas Mangoky (P2) izay hita fa misy fizaràna sy fandrobàna tsy amin’ny rariny ny tanim-bahoaka. Takiana ny hamoahana tsy misy fepetra ireo telo lahy nofonjaina tsy ara-drariny any amin’ny fonjan’ny Morombe vokatry ny fiarovana ny taniny. Takiana koa ny hanatsarana ny fizaran-tany tsy ara-drariny ataon’ny CAT. Hijoro ary tsy hanaiky hatramin’ny farany izahay ary tsy hanome ny taninay hitrandrahana fasimainty sy Monazite ary tsy hijanona ihany koa izahay raha tsy tafaverina aminay ny taninay ao Bas Mangoky, hoy hatrany ity fikambanana ity.
J. Mirija
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT