Actualités

Tetikasa fifindra-monina eny Soaniedanana Hanohana ny Israelianina


  • Alatsinainy 29 Jona 2015

Resy lahatra tanteraka amin'ilay tetikasa fifindra-monina tontosain'ny fikambanana HAFARI Malagasy ny sehatra iraisam-pirenena. Samy niaiky ny maha zava-dehibe azy io hahafahana miady sy manohitra ny fahantrana avokoa ireo masoivoho avy

 

 

any ivelany miasa sy monina eto amintsika nolalovan-dRafanomezantsoa Jean Nirina, filohan'ny fikambanana. Ho an'ny kaonsilan'i Israel eto amintsika dia nanambara izy ireo fa hanohana tetikasa iray goavana ao Soaniedanana Ankazobe hahafahana manampy ireo mpifindra monina ao an-toerana. Ny masoivoho Amerikanina kosa dia hamatsy ara-bola ny fanapariahana ny vaovao mba ho hitam-poko ho hitam-pirenena raha mahita  ny PNUD fa mety ho lasa  tetikasa iray hahafahana manafaka ny vahoaka Malagasy ao anatin'ny fahantrana ity tetikasa fifindra-monina hataon'ny HAFARI Malagasy ity. Mihazakazaka tanteraka ny tetikasa raha ny fizotrany hatreto no jerena. Tsy latsa-danja amin'izany ilay tetikasa Procom hiarahan'ny fikambanana  amin'ny FIVMPAMA, tafiditra ao anatin'ny agro-business hahafahana mampandroso sy mampivoatra ny toekarena eto amintsika. Tsiahivina moa fa an-jatony ireo trano efa mitsangana ao Soaniedanana amin'izao. Hampidirina tsy ho ela ihany koa ny herinaratra hanazava ny tanàna arahin'ireo tetikasa maro loha ho avy tsy ho ela.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT