Actualités

Tetikasa “FIAVOTA” Efa azo ny 8,5 tapitrisa dolara


  • Talata 27 Desambra 2016

Mifantoka betsaka amin’ny fanampiana ara-bola ny mponina amin’ny asa fihariana sy ny fanjarian-tsakafo ary ny fidirana an-tsekoly ny tetikasa “FIAVOTA”, ka hahazo famatsiana mitentina 30.000 Ariary isam-bolana avy ny tokantrano miisa 45.000,

  izay mitsinjara amina kaominina 39 any amin’ny Distrikan’Ambovombe, Amboasary, Beloha, Tsihombe ary Bekily ireo amin’izao fanombohany izao. Hisy ihany koa ny fanampiana ho tantsoroka sy tahiry mitentina 180.000 Ariary mba hampivelarana sy hiavotan’ny isam-pianakaviana amin’ny asa fivelomany. Fanomezana mitentina 35 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena ary 865.000 dolara avy amin’ny UNICEF no hahafahana manatanteraka izao tetikasa izao, ka efa azo ny 8,5 tapitrisa dolara amin’izao fotoana izao. Miara-misalahy amin’ny mpamatsy vola amin’ity tetikasa ity ny minisiteran’ny mponina.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

Hijery ny tohiny
FTT