Actualités

Tetikasa fiarovana ny maha olona Nifarana ny dingana fahatelo, mila ny fanjakana ny fanohizana ny asa


  • Talata 16 Septambra 2014

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy ny alahady 14 septambra 2014 teny amin’ny kianja Angarangarana ampitan’ny tsenan’i Namontana ny dingana fahatelo amin’ny Tetikasa fiarovana ny maha olona nandraisan’ireo fokontany 25 marefo avy amin’ny kaominina telo anjara dia

Antananarivo Renivohitra, Ankadikely Ilafy ary Bemasoandro Itaosy. Tamin’ny alalan’ny famaranana isan-tsokajiny ny hetsika fanentanana amin’ny ady amin’ny herisetra nofinidin’ireo kaominina isanisany voalaza ireo toy ny tamaboho, kitra sy rugby an’olona 7 ary fifaninanana ara-javakanto. Amboara 100 no natolotra ireo mpifaninana tompondaka sy tompondaka lefitra, nisy koa ny omby sy lelavola, “subwoofer”, baolina filalaovana fitaovam-pianarana. Tapitra ny tetikasa, hoy ny solontenan’ny Un Habitat tonga nitarika ity fotoam-pamaranana ity niaraka tamin’ny solontenan’ny Kaominina telo voakasika ary ny Ong Ny Sahy mpikarakara ankapobeny. Tantsoroka fotsiny no nataonay tamin’ity andiany fahatelo ity, hoy Ramamonjisoa Haja filohan’ity Ong ity, fa ireo fokontany sy kaominina telo no tompo-marika tamin’ny fikarakarana ny fifaninanana tany aminy sy fitadiavana ireo amboara tandrify an’izany. Tena nisy fiantraikany teo anivon’ny fiarahamonina ity tetikasa ity, hoy Atoa Maharitra Ali Petera filoham-pokontanin’Angarangarana, fa hita ho nihena tokoa ny herisetra nianjady tamin’ny ankizy sy vehivavy, indrindra taorian’ny nampiharana azy. Tena nahomby indrindra ny fanomezana nivantana ny hoenti-manana ny fokontany tsirairay 180.000Ar ka nahavitanay Angarangarana ny lalankely nirefy 600 m tena nanahirana ny mponina tety rehefa fahavaratra. Ny hirarianay, hoy izy, dia mba horaisin’ny fanjakana Malagasy an-tanana amin’izay ny fanohizana ny famatsiana itony  tetikasa itony amin’izao fitsaharan’ny an’ny Un Habitat izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT