Tetikasa fanavaozana ny fampidiran-ketra

Nitrosa 67,3 tapitrisa dolara amin’ny BAD ny Fitondrana


  • Talata 24 Septambra 2024

Nankato ny fampitrosana 67,3 tapitrisa dolara amerikanina ho an'i Madagasikara,

ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana na ny BAD, ka mikendry ny hanampy amin'ny famoronana fepetra manampy amin'ny fampiakarana ara-toekarena matanjaka sy mivelatra amin'ny alalan'ny fanamafisana ny fitantanana ara-toekarena sy ara-bola eto Madagasikara, raha ny serasera. Mikendry ny hanohana ny fampiharana ny Rafitra fitantanana hetra (SAFI) io programa io mba hanavao ny fitantanana ara-ketra, hanamaivana ny asa fikirakirana momba ny hetra, hanatsara ny fanangonana ny vola miditra sy ny fitantanana ny mpandoa hetra, ary hiady amin'ny hosoka ara-ketra. Hanohana ihany koa ny famoronana rejisitra nasionaly momba ny mpandoa hetra sy ny fampanarahana araka ny lalàna mba hamantarana ireo olona (personnes physiques) hanaraha-maso araka ny tokony ho izy ny orinasa sy hanamora ny fanadihadiana raha misy kolikoly. Ankoatra izany, ny programa dia mikendry ny hanohana ny drafi-panarenana ny Jirama sy ny fanatsarana ny fahaiza-manao ara-teknika sy ara-bola anatin'ny fotoana fohy mba hampihena ny famindrana ara-bola tsy toko tsy forohana avy amin'ny kitapombolam-panjakana makany amin’ny Jirama. Raha raisina amin’io, dia hanamafy ny fanatsarana ny politika ara-ketra izany ny Fanjakana, ary nilana fitrosana ara-bola mihitsy ny fanatsarana. Na aiza na aiza Firenena, dia isan’ny zava-dehibe ny fandraisan’anjaran’ny vahoaka amin’ny alalan’ny hetra hoenti-manodina sy mampandroso ny firenena. Ho antsika eto Madagasikara, mbola ambany dia ambany ny taham-pandoavana hetra satria mbola manodidina ny 13% hatramin’ny 15% eo raha be indrindra. Antony mahatonga an’io amin’ny ankampobeny ny tsy fahatsapan’ny vahoaka tamberin’andraikitra avy amin’ny Fanjakana miainga amin’ny hetra na vola alaina mivantana na ankolaka amin’ny vahoaka, ny tsy fisian’ny fanjakana tsara tantana, ny kolikoly, fanodinkodinana volam-panjakana,… Manampy trotraka ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fahaizana tena mijery ny laharam-pahamehana. Ny kitapombolam-panjakana manify, saingy mbola zavatra tsy mamokatra sy kirendrarendra no hitrosana. Ny mpamatsy vola sy ny mpampindram-bola zarany aza satria misy tombony ho azy. Isan’ny tsikaritra tao anatin’ny fomba firesaky ny Filohan’ny BAD teto ny herinandro teo ny fananana antoka amin’ny fampindramam-bola eto Madagasikara, izay sokajiana ho afaka mamerina trosa izany. Amin’ny fomba ahoana anefa ? Tsy maintsy manaraka ireo fanavaozana na « reformes » takian’ny Mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika na PTF, tsy maintsy orinasan’ny mpampitrosa no mahazo tsenambaro-panjakana, orinasan’ny firenena mpampitrosa no mahazo tombony amin’ny fahazoana alalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany sy solika,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT