Tetikasa DEEP FARM

Efa nahavita fitaovana maro ho an’ny fambolena nomerika


  • Talata 23 Septambra 2025

Ny projet Deep Farm dia fiarahamiasa eo amin'ny ITUniversity

sy ESSA (école supérieure des Sciences Agronomiques) oniversiten’Antananarivo mba hanaovana fambolena nomerika momba ny vary. Tetikasa iraisam-pirenena tohanan'ny Erasmus plus ahita firenena Européen 3 , Afrique 2, Amérique latine 2 izy ity. Raha ny vokatra hatreto dia namorona fitaovana misy « capteur » afaka mamantatra ny tahan'ny Azote, phosphore, potassium, haavon'ny rano, température, humidité, sy « donnée météo » ny ekipan’ny Deep Farm. Ny tanjona dia ny hamantarana izay tena ilain'ny tany marina na resaka zezika, na masomboly na fikarakarana mila atao. Azo atao tsara ireo raha mampiasa io fitaovana io satria tonga dia hita daholo. Iriana ny hiparitahan'io fitaovana io manerana ny nosy ahafantarana ny filàna ankapobeny.Tanjona ny hisian’ny fiara-hiasa amin’ny tantsaha, ONG, ny orinasa ary ny fanjakana mba ahafahana manaparitaka ilay fitaovana.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT