Nankatoavin’ny Mpanolotsain’ny tanŕnan’Antananarivo nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ny Filankevitra monisipaly nanomboka ny alarobia 27 janoary ary hifarana anio ny tetikasa hanangana tsena mitantavana na « Complexe de Marché linéaire » amin’iny ilany atsimo andrefan’ny Boriborintany voalohany iny.
Ny orinasa tsy miankina Signalétique Océan Indien na SOI, tantanan’i Mamy Rajaobelina, no tompon’ity tetikasa ity ary naroso tamin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra dia izy nankatoavin’ny mpanolotsaina izao. Miandry ny fivoahan’ny didim-pitondrana avoakan’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tanàna manamafy izay fanapahan-kevitry ny mpanolotsaina ny fanatanterahana azy ity.
Eo anelanelan’Ampasika sy 67ha, mitomandavana amin’ny lalana mirefy 2km no hanorenana ity « Complexe de Marché linéaire » ity. Tsy voarakitra ao anatin’ny tetibolan’ny Kaominina taona 2010 izy io, fa anatina fifanarahana nomena ny anarana hoe : “Convention de concession de service d’intérêt public ». 20 taona azo havaozina ny faharetan’ny fifanarahana. Mitentina iray miliara ariary ny fampiasam-bola natokan’ny SOI hanatanterahana azy. Tranoheva miisa 80 ahitana trano fivarotana miisa 8 isanisany avy no haorina amin’ny andaniny roa amin’iny lalana miainga avy eny Ampasika mahazo ny Etoile Rouge iny ary mipaka eny amin’ny 67ha Atsimo. Hisy trano fivarotana manana velarana 4m² miampy toeram-panobiana entana manana velarana 2m² avy ny tsena isanisany. Vinavinaina ho 150.000Ar isam-bolana eo ny hofan-trano amin’ny botika iray. Ka mandritra ny telo taona voalohany dia handoa 5% amin’ny hofan-tsena ilay orinasa tompon’ny tetikasa. Hiakatra 7,5% indray izany hatreo amin’ny taona faha-4 ka hatramin’ny faha-6, ary ho 10% manomboka eo amin’ny taona faha-7 ka mandra-pahatapitry ny 20 taona nifanarahana, nefa mbola azo tohizana.
Lalana nosokajiana tsy ho azon’ny fiara hijanonana fa natao handehanana mafy na “voie rapide” ny ampahan-dalana hanatanterahana ity tsena mitandavana na « Complexe de Marché linéaire » ity. Lalana izay nasiam-panitarana tamin’ny fotoana naha Ben’ny tanàna an’i Marc Ravalomanana (1999-2001) noho io lalana io mampifandray ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Re anefa fa hatao « Route d’intérêt communal » io ampahan-dalana io mba hahafahana manatanteraka io « Complexe de Marché linéaire” io. Nangataka moa ny Mpanolotsain’ny tanàna mba hametrahan’ny mpanatanteraka ny tetikasa arofanina amin’ny andaniny roa amin’iny lalana hiarovana ny mpandeha an-tongotra.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.