Tetikasa angovo ao Volobe

Hanana petra-bola 37,5% ny EDF Frantsay


  • Alakamisy 24 Aprily 2025

Anisan’ireo fifanarahana nosoniavina omaly tao anatin’ny fitsidihana ofisialin’ny Filoha

Frantsay Emmanuel Macron ny fidiran’ny orinasa EDF (Electricité de France) ho mpiara-miombon’antoka ao anatin’ny CGHV (Compagnie Générale d’Hydroélectricité de Volobe), amin’ny alalan’ny fandraisana anjara petra-bola 37,5%. Fifanarahana vaovao amin’ireo mpiara-miombon’antoka ao anatin’ilay Consortium manao ny tetikasa. Manomboka izao dia anisan’ny CGHV i EDF, ilay orinasa frantsay malaza amin’ny famolavolana sy fananganana toby lehibe famokarana herinaratra amin’ny rano manerana an’i Eoropa. Mandraisa anjara amin’ny 37,5% amin’ny tetikasa Volobe izy amin’ny maha mpiara-miombon’antoka. Miditra amin’izany ihany koa ny vondrona Pan-afrikanina Axian sy ny Africa 50, izay niara-nandrafitra ny firafitry ny renivola vaovao ao amin’ny CGHV, araka ireo fifanarahana vaovao. Araka ny voasoratra ao amin’ilay fifanarahana navoaka omaly alarobia dia, hampiditra fahaiza-manao avo lenta i EDF ary ho mpitarika amin’ny tetikasa miaraka amin’ny vondrona Axian. Raha atao amin’ny antsipiriany, anjakan’ny EDF Renouvelables ny 37,5% amin’ny anjara ao amin’ny CGHV. Mitovy izany amin’ny an’ny Axian Energy, amin’ny alalan’ny NEA Volobe. Ny 25% sisa kosa dia an’ny Africa 50. Voatondro koa fa hiditra ao amin’ny Consortium amin’ny 20% ny fanjakana malagasy, rehefa tonga amin’ny fanakatonana ara-bola ny tetikasa. "Fampitambarana ny fahaiza-manao ara-teknika, ny loharanon-karena ara-bola ary ny fifanakalozan-dresaka mitohy amin’ny mponina eny ifotony no heverina ho fototry ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara.", hoy i Rémy Huber, Tale jeneralin’ny CGHV. « Ny fidiran’i EDF ao amin’ny Consortium Volobe Amont dia manamafy ny fahamatoran’ny vina iraisana hanome an’i Madagasikara herinaratra azo itokisana, maharitra ary manome fahaleovantena. Ity fiaraha-miasa stratejika ity dia manamafy ny fanoloran-tenanay hanangana fotodrafitrasa ho an’ny fampandrosoana sy ny fiadanan’ny vahoaka." , hoy kosa i Benjamin Memmi, filoha tale jeneraly ao amin’ny Axian Energy. Na izany aza, manamafy fa eo am-pelantanan’i Lafrantsa ny ain’ity tetikasa ity, ary manamafy ny fifehezana sy fitazonan’i Lafrantsa sehatra stratejika eto amintsika ka anisany mazava ho azy ny angovo, izay ain-dehiben’ny toekararena. Hamokatra 120MW isan-taona eo moa no tanjona amin’ny tetikasa Volobe izay kasaina ho vita hatramin’ny 2030 ka andrasana indray izany ny vokatra !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT