Nolanian’ny solombavambahoaka 2024 tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana omaly 10 jona
ny Volavolan-dalàna laharana faha-012/2024 tamin’ny 21 may 2024 momba ny Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana ho amin’ny taona 2024. Taorian’ny fanazavana ankapobeny nomen’ny Ministry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo ny 7 jona lasa teo dia nanomboka ny asam-baomiera ary nitohy nandritra ny faran’ny herinandro. Rehefa vita ny fandinihana nataon’ny asam-baomiera sy ny tatitra nataon’ny mpampaka-tenin’ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola sy ny Teti-bola Tsaradia Marco dia niroso tamin’ny fandaniana ny lalàna ny solombavambahoaka. Raha hiverenana dia isan’ny misongadina ny fampihenana ny vesatra ara-bola samihafa. 3 814,52 miliara Ar ny vola natokana ho an’ny karaman’ny mpiasam-panjakana, izay nisy fidinany 272,32 miliara Ar mitaha amin’ny volavola niaingana. Tsy misy fandraisana mpiasam-panjakana afatsy ny mpitandro ny filaminana ihany,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.