TETI-BOLAN’NY KAOMININA

Nanome fiofanana ireo tanora tany


  • Talata 13 Aogositra 2024

Moramanga ny TAMA Toy ny nataony teto an-drenivohitra dia nanome fiofanana

ireo tanora tany amin’ny distrikan’i Moramanga ihany koa ny Fikambanana Tanora Actif an’i Madagasikara na ny TAMA momba ny fitantanana tetikasa sy ny fandrafetana ny teti-bolan’ny kaominina. Nitarika ny fiofanana sy nizara ny traikefany nandritra izany ny filoha mpanorina ny Fikambanana Rtoa Rija Ethel Razafimandimby. Mihoatra ny 100 isa ireo tanora nanatrika izany izay samy nahatsapa fa ilaina dia ilaina tokoa ny fiofanana tahaka izao hahafahana manatsara ny fiainana eny anivon’ny kaominina. Miainga eny ifotony mantsy ny fampandrosoana ho azy ireo koa raha ireo olona vonona ny hirotsaka an-tsehatra amin’ny asa fampandrosoana no tsy manana na tsy ampy traikefa dia ho zava-poana ihany izany. Mbola hitohy any amin’ny faritra hafa moa izao fiofanana omen’ny fikambanana TAMA izao, raha araka ny fantatra.
Pati
Legende : Ramatoa Rija Ethel Razafimandimby, namarana ny fiofanana tany Moramanga !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT