Namboarina ny alin’ny sabotsy hifoha alahadin’ny Pentekôsta 8 jona 2014 teo ny tetezan’Ambohimandroso, amin’ny lalam-pirenena faha-7.
Iaraha-mahalala anefa fa fotoan-dehibe ho an’ny mpino kristianina manerantany ary anisan’izany isika Malagasy ny fankalazana ny fahatsiarovana izany andro nidinan’ny Fanahy Masina izany. Ny zava-nisy moa dia voasembantsembana mba tsy ilazana fa voasakana tsy afaka nihazo ireo fiangonana sy eglizy ny ankamaroan’ireo vahoakan’Andriamanitra noho ny fanamboarana io fotodrafitrasa io. Niteraka alahelo goavana tamin’ireo tsy afaka namonjy ny trano fivavahana iny fanapahan-kevitry ny tompon’andraikitra nanapaka ny fifamoivoizana nandritra ny alahadin’ny Pentekôsta iny. Fanontaniana fampieritreretana noho izany no tonga ao an-tsain’ireo mpino kristianina taorian’iny trangan-javatra iny dia ny hoe : fa angaha tsy azo notontosaina amin’ny fotoana andavanandro ny fanamboarana tahaka ireny no nampifanojoana amin’ny andro Sabata ? Antenaina fa horaisin’ireo mpanapa-kevitra ny hafatra tiana hampitaina, hoy ny solontenan’ireo mpino kristianina ao Ambohimandroso.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.