Actualités

Terrain - Coum 67 ha Hanamboarana trano hamidy no antony hanalana ireo mpivarotra ao aminy ?


  • Talata 09 Septambra 2014

Hanamboarana foto-drafitrasa lehibe toy ny trano ary hamidy no antony hanalana ireo mpivarotra etsy amin’ny toerana filalaovam-baolina coum 67 ha, araka ny vaovao azo tamin’ireo mpivarotra.

araka ny vaovao azo tamin’ireo mpivarotra. Avy hatrany dia omena ilay mpividy ny lakile raha vao mahaloa ny 70 %-n’ny vidin’ny trano izy ireo ary aorian’ny fanamboarana farany ny 30 %. Vokany, nanomboka ny sabotsy sy ny alahady lasa teo dia tsy nitsahatra nahazo fandrahonana ny tsy maintsy hanalany ny entany  ireo mpivarotra eny an-toerana miisa 550. Mpitandro ny filaminana niampy vatan-dehilahy matanjaka na irony antsoina hoe “gros bras” irony, araka ny nambaran’izy ireo, no tonga nanala azy teny an-toerana.  Nanomboka ny alakamisy lasa teo ny fotoana nomena azy ireo tsy  maintsy hialany. Ankoatra io tranga io dia noterena ihany koa ireo mpivarotra ka nisy ny fametahana piquet nataon’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nisy ny hetsika nataon’ireto mpivarotra ireto omaly. Tsy nitokona izy ireo akory fa mbola nanohy ny asa fivarotany andavanandro ihany saingy nampiantso mpanao gazety kosa mba hanaitra ny sain’ny  tompon’andraikitra ny amin’ny tokony handefasana ny raharaha araka ny tokony ho izy. Aleo handeha ara-dalàna, hoy izy ireo ny fanalana azy ao amin’ity toerana ity, eny fa na dia ho tonga eny amin’ny fitsarana aza ny raharaha mba hahafahany miady. Tsara ny manamarika fa efa nanomboka ny taona 1997 no nanajary ity toerana ity ireo mpivarotra ireo ary olona miisa 2.000 isan’andro no mivelona aminy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT