Teratany vahiny nanao herisetra tamin’ny mpiasa

Fanindroany tsy tonga teny amin’ny fitsarana


  • Talata 20 Febroary 2024

Mpiasa amina orinasa tsy miankina iray eny Tsarasaotra no nahatonga fitarainana

teo anivon’ny Firaisamben’ny sendikan’ny mpiasa malagasy revolisionera na FISEMARE, noho ny fisiana herisetra ataona teratany vahiny mpitantana an’io orinasa io amin’ireto mpiasa eo ambany fiadidiany ireto, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Niakatra fitsarana ny raharaha, hoy ny fanazavan’ny sekretera jeneraly lefitry ny FISEMARE, Julio Rakotomaharavo, ny 11 desambra teo ary tsy tonga niatrika izany io teratany vahiny io. Nampiantso fanindroany ny fitsarana saingy ny solontenan’ireo mpiasa sy ity sendika ity ihany no tonga teny Anosy omaly, raha ny fanazavany hatrany. Rehefa tsy tonga fanintelony ity teratany vahiny ity, hoy ny fitsarana dia henjehin’ny fitsarana. Araka ny voalaza dia nofelahan’ity teratany vahiny ity ny tehamaina no nahatonga ilay mpiasa nitory saingy rehefa tonga teny amin’ny fitsarana dia nolazainy fa mamo am-perinasa. Rehefa mamo ve izany ny mpiasa dia azo vonoina? Voalaza ho efa antony nahavoaroaka ity teratany vahiny ity tany amin’ny orinasa nisy azy taloha ny fampiasana herisetra tamina mpiasa miisa 2. Tamin’ity indray dia mpitantana na «cadre» iray sy mpiasa vitsivitsy no tratran’izay. Raha mbola tsy misy ny famaliana ny antso amin’izao fiantsoana fanintelony izao dia ho avy ny firaisankinan’ny sendika. Hametraka fitoriana any amin’ny tribonaly na «tribunal administrative» koa izahay ho famerenana ireo mpiasa amin’ny asany satria tsy rariny raha ny mpiasa niharana herisetra indray no voaroaka amin’ny asany. Mangataka ny fitsarana hijery ny raharaha mandeha koa izahay satria misy raharaha tena ela dia ela. Ny raharaha iray manaraka kosa dia notsaraina ny desambra teo. Tsy tonga tao ny mpampiasa dia nivoaka sahady nefa ny didy. Ho vonoina ve izany ny mpiasa? Mangataka ny minisitra hijery io raharaha AXES Global izay tsy mety manatateraka didim-pitsarana io izahay, hoy hatrany ny FISEMARE.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT