Teratany vahiny mitombo mivarotra amoron-dalana

Andrasana ny fanazavan’ny tomponandraikitra


  • Zoma 22 Septambra 2023

Mitombo ny isan'ireo teratany vahiny hita ho mifampizara tsena amin'ny mpivarotra amoron-dàlana tato ho ato, raha ny vaovao niparitaka omaly.

Mivarotra mofo toy ny “Sandwich” na irony mofo laroina tsiro samihafa anatiny irony izy ireo, hoy ny fitantaran’ireo mpandalo eny amin’ny toerana misy azy. Mitovitovy daholo ny mofo amidin'izy ireo. Isan'ny hahatazanana izany eny Tanjombato eny. Andrasana hatreto na ny minisiteran'ny mponina na ny minisiteran'ny atitany na ny minisitry ny serasera na ny praiminisitra hitondra fanazavana mikasika azy ireo. Mpiasa madinika any amin'ny orinasa vahiny ve izy itony no manao vadin'asa mivarotra sa olona tonga eto handraharaha mihitsy dia izao no ataony sa mpizahatany lany “visa” na fetr’andro sa ahoana marina no tena momba azy? Tombatombana sy resaka eny anivon'ny fiarahamonina no andrenesan'ireo mahita azy ireo isan'andro fa mety ho niondrana an-tsambo izy ireo dia niditra teto ary niara-tonga teto, raha ny fampitam-baovao voaray mandra-piandry ny fanazavan’ny tomponandraikitra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT