Teratany vahiny mihetraketraka eny Andranovelona Ilafy

Mitaraina ho lasibatrany ny fiarahamonina iraimanontolo


  • Zoma 04 Jolay 2025

Teratany vahiny iray monina eny Andranovelona Ilafy no mampitaraina ny mponina

eny an-toerana ho manampatra fahefàna amin’ireo mpiara-belona aminy. Mampihorohoro amin’ny basy mihitsy ity vahiny ity sy ilay malagasy vadiny, hoy ny fitantaran’ny solontenan’ireo mponina. Manomboka mitroatra ankehitriny, hoy izy ireo, ny manodidina. Mpiasa iray ao amin’ity vahiny ity no sahy niteny tamin’ny mpiara-monina ny hafitsony sy nanontany ny mpiara-belona ny tokony atao manoloana ny zava-misy. Antony hiezahana hanampiana ilay bandy kely izany. Mpiambina tanàna no sady mpanao zaridaina io boay kely io. Ny 9 jona teo dia nanasa ny fiara izay nisy vola tao anatiny ity mpiasa ity. Tsy niditra tao anaty fiara izy raha nanao izany kinanjo tsy hita ilay vola ary dia izy no nendrikendrehana ho naka izany. Nodarohan’ilay vazaha sy ny vadiny izy rehefa tsy hitan’ireo tao ny vola. Rehefa voadaroka ity mpiasa ity dia nilaza fa nalain’ilay ramatoa vadina vazaha ny vola. Nasaina niala vetivety teo izy rehefa avy niteny an’izay fa nony kelikely anefa dia naverin’ilay vazaha sy nodarohany indray. Saika hitsoaka dia voasambotry ny mpamily. Niverenana nodarohana tao afara indray sady noterena hiaiky fa nangalatra. Tsy nanaiky hatramin’ny farany nefa. Nazavain’ilay mpiasa fa madama no nanome ny vola avy tao anaty valopy hividianana solika. Vao mainka tezitra ilay vazaha ary nanampy daroka. Torana vokatr’izany ilay mpiasa. Rehefa izay dia nasaina nantsoin’ny mpiambina iray hafa ny vadin’ity mpiasa torana ity ary nambara fa namono tena. Aleo, hoy ilay mpiasa iray, tonga dia entina any amin’ny Dokotera fa tsy miantso ny vadiny. Nentina tany Anosiavaratra ary nilaza ho tsy nahavita ny tany fa hoe ento any amin’ny HJRA.
REHEFA NAHATSIARO TENA TAO AMIN’NY HOPITALY IZY DIA NANONTANIANA HOE NANINONA NO NAMONO TENA?
Namaly izy fa tsy namono tena fa nodarohan’ny mpampiasa azy. Nilaza taminy koa nefa ny Dokotera fa nisy poizina tao anaty vavonony ary rehefa nasaina nandoha dia ireo tokoa fa nahitàna poizina tanaty vavoniny. Rehefa nivoaka ny hopitaly izy dia noteren’ireo mpampiasa hiverina hamindra asa saingy tsy nety. Niteny taminay izy fa tsy hiverina, hoy hatrany ireto solontenan’ny mponina mitantara ireto, satria tadiavin’ireo mpampiasa azy ho vonoina. Lazaina fa nanampoizin-tena nefa nodarohana. Tsy misotro toaka aho, hoy ity mpiasa ity. Marary ny zanako. Nasaina nametraka fitoriana ao Sabotsy Namehana, noho izany, ity mpiasa ity. Nampanantsoina ilay vazaha. Rehefa naheno ilay vazaha fa toriana izy ireo dia nanatona kaomisera iray izay nanoro azy ireo hitory ilay mpiasa noho ny antony fangalaram-bola. Nampandre ilay mpiasa voadaroka ny mpiasa namany mba tsy hiverina any am-piasana satria nafototr’ilay vazaha taminy indray ilay fitoriana. Nampitomboana ilay vola voalaza fa very. Efa nisy fotoana mpiasa hafa no voadarok’ilay vazaha ary notifiriny Big Boss dia nasainy nandoa 2 tapitrisa Ariary. Nandoa 6 hetsy Ariary io tamin’ny tapa-bolana. Tsy afa-miala ao io raha tsy voaloha ilay 2 tapitrisa. Misy saofera iray voadaroka koa fa tsy sahy mitory satria efa misy kaomisera mpiaro ity vazaha ity. Nafindra any Sabotsy Namehana mihitsy moa io kaomisera io dia vao mainka tafahitsoka lalina ilay dosie. Mitaraina ho lasibatr’io vazaha io daholo ny fiarahamonina manontolo. Efa ela nonina teo ireo. Hatramin’ny vaomieran’ny fandriampahalemana na «quartier mobile» no rahonany hoe afaka 3 volana koa ny anao. Izahay mpiara-monina izao no manampy an’ilay mpiasa voadaroka satria tena tsy nandray karama am-bolana maro izy nefa io misy olana be io, hoy hatrany fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT