TENY MIAFINA

MOT DE PASSE


  • Alarobia 05 Martsa 2025

Ankehitriny, tsy mitsaha-mitombo ny asa miantehitra amin’ny tambazotra sosialy.

Etsy ankilany anefa, miakatra manaraka azy ihany koa ny “piratage de compte” ary ho entin’ireo olon-dratsy misoloky sy mamotika asan’olona maro. Inona ary ny fisorohana azo atao? Maro ny vahaolana ary ho zaraina aminao androany ny voalohany.

Ny teny miafina na “mot de passe” no varavarana voalohany ahazoana anao.

Tsara ho fantatra fa misy ny karazana “piratage par force brute”, izany hoe andramany daholo izay teny azo andramana rehetra. Fady noho izany ny mampiasa anaran’olona, biby, daty nahaterahana na zavatra misy heviny eo amin’ny fiainanao. Manarak’izany, mila misafidy teny lava (mihoatra ny 8 ny litera ao anatiny), ahitana litera kely (minuscule), litera lehibe (majuscule), isa (nombre) ary litera miavaka (caractères spéciaux). Araka ny fikarohana nataon’ny “Hive Systems” ny taona 2024, dia mandany 7 taona mahery ny maka ny teny miafinao raha voahaja ireo fepetra ireo, 1 volana monja kosa raha toa ka ny isan’ny litera ihany aza no ampidininao ho 7. Ny tena azo antoka hatreto dia ny mampiasa litera 14 noho ny mihaotra satria mandany 11 miliara taona vao azo ny teny miafinao. Voaaro ianao amin’izay na mampiasa solosaina maro be aza ny olon-dratsy.

Fehiny, aza atao ambanin-javatra ny teny miafina fa fiarovana ho anao sy ny asanao izany. Ho zaraina amin’ny fotoana manaraka indray ny fiarovana azonao atao hafa. Ka hisolo “compte” foana ve sa hitandrina amin’izay?

Mirary soa,

Hasina Rivonandrasana


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT