Actualités

Teny mahery anaty facebook Azo itarafana fa krizy ny Malagasy


  • Alarobia 07 Oktobra 2020

Efa tena henjana ny fifandranitana sy fifanompana anaty tambajotra serasera “facebook” amin'izao.

 

 

 

 Hafa ilay hoe manala , fa misy olona tena mifanasa vangy mihitsy. Mafy dia mafy ny fanakianana ny fitondrana sy ny mpanao politika fa mafy koa ny firesak' ireo mpiaro ny fitondrana.Tena hoe raha tafiaraka “Plateau TV” ireny olona ireny mety totohondry ny hiafarany. Tena manahirana ilay izy satria ny olom-pirenena maro anie tsy mahatakatra ny politika avo lenta sy “haute sphere”tahaka izany. Ny hitany sy reny ihany no fantany.Tsy manam-potoana hanadihadiana lalina izy na hanakarana ny zavamiafin` ny kabary politika etsy sy eroa.Tena miaina anaty krizy ny Malagasy hany ka tsy manana fijery lavitra intsony: alatsinainy dinihana alatsinainy… dia tahaka izany foana. Aleo vakiana bantsilana fa nisy fotoana efa mba nanomboka nety ny fiainana, mipetraka ny fitsipika, fa taorian'ny 2009 dia tonga ny gaboraraka ary ny loza anie amin'izao fotoana dia tsy matahotra fahefam-panjakana izany intsony ny olona. Izay no mahatonga an'ilay hoe avoaka foana ny Emmo-Reg hanara-maso sy hampanàja ny lalana sy fepetra. Tsy tonga any amin' ny isam-batan` olona intsony ny fahefam-panjakana. Maro no efa tsy mivaky loha saingy ilay izy koa moa na manao ny tsy mety aza ianao rehefa mametraka kely na manana dadatoa sy nenitoa lava tanana dia milamina. Krizy isan-tsehatra mihitsy ity.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT