Actualités

TENCE MENA Afaka tanteraka tamin’ ny toaka


  • Alarobia 22 Aprily 2020

Anisan’ireo olona tsy dia nahatsapa loatra izany hasambarana anaty sy ny vokatra tsara entin’ny legioma amin’ny vatana izany i Tence Mena.

 

 

 

 

 Tena nanova ny fiainany ary nitondra vokatra tsara ho azy noho izany ny fihibohana izay iainany vokatry ny tsimok’aretina coronavirus. Raha araka ny fanazavany mantsy dia afaka tamin’ny toaka tanteraka izy ary tsy hiverina hisotro izany intsony. Nihena ihany koa ny kibony vokatry ny fihinanany voankazo sy legioma isan’andro izay tsy hataony ambanin-javatra intsony niampy ny fijanonana tamin’ny fisotroana zava-pisotro misy gazy. Lasa manana fiadanana anaty ihany koa izy raha araka ny fanazavany no sady afaka nanara-maso araka ny tokony ho izy ny toe-pahasalamany toy ny diabeta, ny kolesterola, ny aty, mny voa, ny fo, ny vavony….Na izany aza anefa dia nomarihiny fa nisy ihany ny lafy ratsin’ny fihibohana toy ny tsy fahitana torimaso, ny ahiahy sy ny fitaintainana, ny tsy fahazotoan-komana ary indrindra ny "depression" izay nanjohy azy nandritra ny 15 andro. Niferin’aina be mantsy izy tamin’ilay natoka-monina, manahy ny ho faty hatrany isan’andro, nalahelo ireo vady aman-janany izy, tsy afaka nanao mozika ihany koa… izay efa zary fiainany isan’andro. Vita ihany anefa izany hoy i Tence Mena rehefa miaraka amin’Andriamanitra sy manana herin-tsaina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT