TENA MAFANA NY ANDRO

Mahazo vahana ny aretin-kibo, ny tazo, ny kohoka


  • Talata 17 Oktobra 2023

Miditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny hafanana isika ankehitriny.

Ankoatra ny amin’ny atoandro manomboka amin’ny 11 ora iny dia mampitaraina sy mampikaikaika ny maro ny hafanana mandritra ny alina izay tsy ahitana torimaso mihitsy indraindray. Betsaka ireo karazan’aretina aterak’izany toy ny alerzia izay miteraka sery sy gripa amin’ny andro mamay. Toraka izany koa ny aretin-kibo sy ny kohoka ary ny tazo mahery. Mihabetsaka rahateo ny lalitra eny rehetra eny izay mitondra ireo karazana otrik’aretina miampita mankany amin’ny sakafo masaka ka miditra any am-bava avy hatrany. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpitsabo iray dia nihabetsaka tato anatin’ny tapa-bolana izao ireo olona marary tonga manatona azy ireny. Raha dimy isan’andro teo aloha dia lasa mahatratra 10 izany. Ireo voan’ny gripa sy ny aretin-kibo no tena betsaka izay tsy hanavahana sokajin-taona intsony fa lasibatra hatramin’ny ankizy madinika. Tsy misy afa-tsy ny fanaovana fitafiana mifanaraka amin’ny toetr’andro ihany, ny fisotroana rano betsaka avy nampangotrahana ary ny fihinana sakafo ara-pahasalamana araka izany no vahaolana natolony. Lohalaharana amin’ireny ny voankazo sy ny legioma. Tsy tokony hohadinoana ihany koa ny elo hiarovana amin’ny ranon’orana indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Tsiahivina moa fa nahatratra 27°C ny hafanana teto Antananarivo sy ny manodidina omaly Alatsinainy.


Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT