Actualités

Telolahy nitondra basy vita gasy Natolotra ny fitsarana


  • Alarobia 13 Aogositra 2014

Telolahy avy any Ejeda nampiahiahy ny fihetsiny nosavain’ny polisy mpanao fisafoana amin’ny alina ka nahatrarana basy vita gasy ny herinandro teo, tao Sanfily Toliara

Mbola nahitana antsy lava iray avy tany amin’izy telo lahy ireo, raha ny fanazavan’ny mpitandro filaminana. Mba hisorohana ny asan-jiolahy izay nateti-pitranga tato ho ato, indrindra ao Toliara tampon-tanàna dia savaina avokoa izay olona rehetra hita mampiahiahy, hoy ny tompon’andraikitra. Nanamafy ny avy ao amin’ny polisy Toliara fa ity no basy vita gasy tsara indrindra tamin’ireo efa tratra hatramin’izay. Raha ny tombana dia mety ho betsaka ny mitovy kalitao amin’ireto sarona ireto miparitaka any ho any. Efa natolotra ny fitsarana izy telo lahy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT