Fanendrena mpiasam-panjakana ambony maro no nameno ny filankevitry ny minisitra natao teny Iavoloha omaly alarobia 16
jolay tolakandro ka anisan’ny nisongadina tamin’izany ny didim-panjakana manendry an’Atoa Rasata Lantomalala Solofonirina ho Talen’ny Televiziona Malagasy (TVM), nisolo toerana an’i Niry Randriamampianina izay nametra-pialana ny alatsinainy 14 jolay teo , ary an’Atoa Ratovondrahona Harison kosa no voatendry ho Talen’ny Radiom-pirenena Malagasy (RNM).Manantena ny maro fa tena hitondra ny fanovàna tokoa eo ain’ny fomba fiasa sy fomba fitantanana ny haino aman-jerim-panjakana ireto tompon’andraikitra vaovao ireto fa tsy sanatria hanompo fotsiny ny mpitondra .
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.