Ny fanovàna nomerika amin’ny sehatry ny fampianarana ambony sy ny mpianatra
no ivon’ny fifanakalozan-kevitra tao anatin’ny hetsika « Parlons Développement » andiany faharoa, natao teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo omaly. Niahy sy nikarakaraka izany ny Banky Iraisam-pirenena sy ny PNUD, miaraka amin’ny Oniversiten’i Antananarivo sy ireo fikambanana mpianatra. Fifanakalozan-kevitra manodidina ny olana sy vinan’ny fampandrosoana eto Madagasikara io, ka fanamby miompana amin’ny vanim-potoana nomerika no nisongadina teto, naompana tamin’ny hoe : “Ahoana ny fandraisana anjaran’ny nomerika amin’ny fanovàna ny traikefan’ny mpianatra eny amin’ny oniversite?”. Ny hetsika dia mandinika ny fomba mety hanovana lalina ny fomba fianarana amin’ny alalan’ny teknolojia. Na dia mampiseho vina miezaka ho “hub” amin'ny teknolojika amin’ny alalan'ny Drafitra Stratejika Nomerika na " PSN 2023-2028 (Plan Stratégique du Numérique) aza i Madagasikara, dia mbola tsapa fa betsaka ny fanamby amin’ny fampiharana izany: Zara raha miparitaka ny internet amin’ny vahoaka (22 % tamin’ny 2022, araka ny Banky Iraisam-pirenena); Tsy mitovy ny fotodrafitrasa nomerika any ambanivohitra sy an-tanàn-dehibe; Tsy ampy fitaovana ho an’ny mpianatra sy mpampianatra; Ary somary voafetra ny fahaiza-manao amin’ny fitaovana nomerika. Araka ny tatitry ny UNESCO (2023), latsaky ny ampahatelon’ireo oniversite aty Afrika no manana sehatra "e-learning" matotra. Eto Madagasikara manokana, ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony dia manombana fa latsaky ny 15 % amin’ireo sekoly ambony an’ny fanjakana no voaomana tanteraka amin’ny fianarana nomerika kalitao. Nomena sehatra nandraisany anjara ny tanora nahafany niresaka ny momba ny fomba fanao sy fanantenany; ireo sakana sy fahafahana amin’ny fampiroboroboana ny nomerika; fankasitrahana ny fandraisana andraikitra efa mipetraka (Orange Digital Center, IT University,…); Fampahazoana andraikitra amin’ny fiaraha-miasa: oniversite, ministera, orinasam-pifandraisana,mpiara-miombon’antoka sy fiarahamonina sivily,… Mifototra amin’ny maodely natomboka tany Maraoka amin’ny alalan’ny Policy Center for the New South, ka nanehoana fa ny “Parlons Développement” dia mikendry ny ho sehatra maharitra amin’ny fifampiresahana ifotony, hifanentana amin’ny laharam-pahamehana nasionaly sy ireo tanjona maharitra ho an’ny fampandrosoana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.