Actualités

Tefotefo simba ao belo sur mer Tsy maintsy fiaramanidina no hamonjena ny ain’ireo olona 21


  • Talata 07 Martsa 2023

Niaiky ny APFM ao Morondava omaly fa tsy vitan’izy ireo ny manavotra ny ain’ireo olona miisa 21 nitaingina tefotefo

niainga tao Andranofasy ary simba ao amin’ny Nosy Nosibe ao amin’ny kaominina Belo sur mer, distrikan’i Morondava. Noho ny fisafotofoton’ny ranomasina vokatry ny fandalovan’ny sisan’ilay rivo-doza Freddy no voalaza fa anton’izany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia saika handeha ho any Morondava izy 21 mianaka ireo. Tamin’ny 02 Martsa teo izy ireo no niainga tao Andranofasy nitaingina ity tefotefo ity izay karazana lakana lehibe ihany. Efa mihalany vatsy izy 21 mianaka araka izany. Mihareraka ihany koa ireo zaza amam- behivavy koa hanaovan’ ireo tompon’andraikitra any an-toerana antso avo amin’ny Fitondram-panjakana ny mba hakana azy ireo amin’ny fiaramanidina. Tsiahivina moa fa mbola hiaina anaty ranon’orana hatrany iny faritra atsimo sy atsimo andrefan’ny Nosy iny hatramin’ny anio talata 07 martsa.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT