Tebok’afon’ny doro tanety sy doro ala

Ampiasana ny sarin-tan’ny zana-bolana VIIRS NOAA-20


  • Zoma 13 Oktobra 2023

Manomboka mahazo vahana ny toro tanety eto amintsika, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny hafanana izao.

Mampiasa ny saritany avy amin'ny zana-bolana VIIRS NOAA-20 an'ny NASA maneho ny tebok’afo ny Ministeran’ny tontolo iainana manoloana izany, hetsika nanomboka afak’omaly 11 oktobra. Hanafainganana ny fandraisana fepetra amin’ny tranga doro tanety sy doro ala misy eto Madagasikara no antony nanaovana izany, hahafahana miaro ireo faritra arovana sy ny zava-manan’aina. Natokana hanaraha-maso ny tranga firehetana manerana izao tontolo izao ity zana-bolana ity, raha araka ny fantatra ary indrindra natao hisorohana ny fiitaran’ny afo amin’ny fampitana haingana ny tranga firehetana. Mampiasa ny capteur VIIRS ity satelita ity ary 375 metatra ny résolution spatiale azony, raha araka ny vaovao azo hatrany. Ampitaina avy hatrany amin’ireo tompon’andraikitra eny ifotony noho izany ny toerana ahitana ireo tebok’afo hanaovana fanamarinana mahakasika ny fisian’ny afo. Manetsika avy hatrany ny tompon’andraikitra isan-tokony eny ifotony sy ny fokonolona ny Ministera rehefa voamarina fa misy ny firehetana ary mandrindra ny famonoana ny afo ihany koa. Napetraka ihany koa moa ny laharana 955 eo anivon’ny Ministera hampitana haingana ireo trangan’afo.
Pati
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT