Actualités

Te hanjaka tokana ?


  • Alarobia 09 Jolay 2014

Mazava tsara mihitsy ny tenin’ny manamboninahitra jeneraly iray nanana andraikitra lehibe sy makadiry teto amin’ny firenena raha sendra tafaresaka taminy ny tena. “Tena potika tanteraka ny firenena, hoy izy. Tsy matoky ny rafitra misy intsony ny olona, tsy misy intsony izany fanajana ny lalàna izany. Tafiditra any amin’ny rafitra rehetra ny kolikoly, toy ny tafika, ny Fitsarana, ny fampianarana, ny fananan-tany. Izany no vokatry ny fanonganam-panjakana nisy teto sy ny fanjakan’i Baroa nandritra ny tetezamita

…”. Ny minia mikipy ihany angamba no tsy mahita ny fahavoazan’ny firenena, fa izay mandinika tsara ny zava-misy dia mitovy hevitra amin’ity manamboninahitra jeneraly ity avokoa. Fanapotehana no natao teto ary famerenana indray ny fanjanahana ara-tsaina mba hampietry hatrany ny Malagasy. Nohararaotin’ireo vondron’olom-bitsy ny tsy fahampian’ny fahalalan’ny Malagasy koa dia nampidirina teto ny fomba fijery sy fomba fisaina hafahafa, nahomby ny fanasana atidoha natao ka nivadika ho mainty ny fotsy. Ny olona nahavita zavatra tsara ho an’ny firenena indray no nambara fa devoly, ireo efa fantatra fa hikaroka fotsiny ny tombotsoany sy hiaro ny tombotsoan’ny mpanjanaka no nomena fahefana. Dia izao iaraha-mahita izao ny vokany e ! Na ilay fitondrana nivoaka avy amin’ny fifidianana nambara fa madio sy mangarahara aza sahirana tanteraka amin’izao fotoana, tsy manana fototra politika, tsy manana fandaharanasa mazava, difotry ny fanakianana sahady ary tena hita fa tsy mahafehy ny firenena amin’ny ankapobeny ilay filoha sy ny praiminisitra miara-miasa aminy. Dia ho gaga ve isika raha toa ka hihodinkodina an-toerana indray mandritra ny 5 taona manaraka ? Raha tsy milamina ny ato anatiny dia sarotra ny manantena fanampiana avy any ivelany izany. Ny fampihavanana tena izy no tokony himasoan’ny fitondram-panjakana aloha, rehefa misy dingana lehibe vita amin’io dia milamina ny asa sisa rehetra any aoriana. Tsy misy firenena miady an-trano na tsy miray hina ka mandroso izany e ! Mampanahy ihany mantsy ny fihetsiky ny HVM amin’izao fotoana fa toa mbola mitady hamerina ny manjaka tokana izany. Tsy efa nahazo lesona tamin’ny tantara ve fa tsy mitondra lavitra mankaiza izany antoko tokana manjaka eto amin’ny tany sy ny fanjakana izany e ? Raha tena hanova sy hanarina marina dia tsy misy afa-tsy ny fifanomezan-tanana, fa raha hanohy ny fanapotehana manara-penitra efa natomboky ny sasany tamin’ny 2009 moa dia ataovy ny manjaka tokana fa atao akory e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT