Noraisin’ny mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo, Marc Ravalomanana, tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely omaly ireo mpitatitra am-piarakaretsaka izay resy lahatra fa ilaina ny fanavaozana sy fanatsarana ny fitsirihana ireo fiara mifamezivezy eto Antananarivo amin’ny alalan’ny Omavet.
Resy lahatra izahay, hoy ireto solontenan’ny mpitatitra ireto fa handroso ary vonona ny hifampitantana amin’ny CUA ho fanatsarana ny tontolon’ny taxi eto Antananarivo. Miantso ny namana rehetra fa efa nanao fidinana ifotony izahay ary nahita ireo fitaovana arifomba ahafahana manao ny fanatsarana eo anivon’ny OMAVET. Malalaka lavitra ny toerana eny Ampasampito raha oharina amin’ny eny Antsakaviro ary ny toerana ihany no niova fa ny ankoatra izay tsy nisy niova. Olona tsy liam-pivoarana ary mihevitra ny Malagasy sy ny mpitondra taxi ho tsinontsinona, hoy izy ireo, ny fahitanay izay mitsipaka ny fanatsarana ka tsy afaka hiara-dalana aminy izahay. Mila mpitarika hanao dingana fanatsarana isika ka miantso ny namana rehetra hifampidinika ety amin’ny lapan’ny tanàna rahampitso amin’ny 2 ora tolakandro.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.