Actualités

Taxi - FTAR Ampiesonin’i Clémence R


  • Sabotsy 28 Oktobra 2017

Nanatanteraka fitokonana fanindroany omaly ireo mpikambana ao amin’ny FTAR (Fikambanan’ny Taxi Antananarivo Renivohitra) tarihin-dRaharinirina Clemence.

  Niainga teny Ankorondrano, nipaka hatreny Analakely  izay marihina fa nisakana tanteraka ny fifamoivoizana mihitsy ka niteraka fitohanana goavam-be tokoa ary nampitaraina ny maro. Raha tokony ho 15 minitra no nivoahan’ny fiara iray avy eo Analakely mihazo an’Anosy dia tafakatra hatramin’ny ora iray noho ny fibahanan’izy ireo ny arabe. Tsy nahatana ny teniny ny amin’ny tsy hiresaka intsony amin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana anefa Rahanirina Clemence fa mbola tonga nanatona tao amin’ny lapan’ny tanàna rehefa avy nampiesona ireo ekipany. Tsy nahazo rariny tao anefa ny vehivavy taorian’izay ka lasa nandeha nidodododo nilela-paladia teny amin’ny minisiteran’ny Fitaterana indray mba hila vonjy. Porofo ireny rehetra ireny fa mpikarama an’adin’ny fanjakana ity filohan’ny FTAR ity. Eo an-danin’izay anefa dia tsotra sy mora vahana ny olana misy eo amin’izy ireo sy ny kaominina. Manokatra hatrany ny varavarany ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana mba hifampidinika amin’ny maha raiamandreny sy zanaka. Tsy mety mihaino sady tsy manaiky fandaminana kosa anefa ny FTAR raha fiarovana ny aim-bahoaka sy fanatsarana ny kalitaon’ny asa hatolotr’izy ireo ny mpanjifa no katsahina amin’ny fiaraha-miasany amin’ny OMAVET.  Tsy misy ilana fanjakana intsony raha tahaka izao avokoa ny fihetsika hasehon’ny rehetra rehefa misy fanatsarana hapetraka. Andrasana izay mety ho fivoaran’ity raharaha ity.


Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT