Ny tavoahangy plastika amin’ny ankapobeny no tena manentsina ireo karazana lakan-drano eto amintsika ka mahadifotra tanana maro amin’ny faritra iva rehefa fotoam-pahavaratra.
Nitady hevitra mahakasika izany ny Renim-pianakaviana iray ka nifampiraharaha tamin’ny SAMVA mba hahazoana maka ireo tavoahangy plastika rehetra ao anatin’ny fakon’Antananarivo. An-taoniny isan’andro mantsy raha ny fantatra ny tavoahangy plastika ariana eny Andralanitra. Olona iray mitsimpona izany eny an-toerana no mahita 70 ka hatramin’ny 100 kg isan’andro. Talohan’ny fihibohana dia amidin’izy ireo 50.000 Ar ny iray taonina raha efa nihena kosa izany amin’izao noho ny fihibohana sy ny hamehana ara-pahasalamana. Misy ihany koa ny mivarotra izany 50 Ar ny iray. Havadika ho kifafa ireny tavoahangy plastika ireny. Mahavita kifafa iray ny tavoahangy plastika miisa 500 isa raha araka ny fanazavany, azon’ny isan-tokantrano hampiasaina tsara mandritra ny fotoam-pahavaratra. Azo sasana mantsy izy ireny no sady tsy matahotra fotaka ihany koa no mateza. Tsiahivina hatrany moa fa ny 91 %-n’ny tavoahangy plastika dia tsy mety levona ao anatin’ny 15 taona raha alefa any anaty tany hany ka manimba ny tontolo iainana sy misakana ny tany tsy hamokatra tsara.
Pati
Sary nindramina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.