Mitohy ny paikady ratsy fanapotehana sy fandravana ny maha Malagasy ketrehan’ireo vahiny te hanjanaka indray an’i Madagasikara amin’ny endriny vaovao, hoy ny fikambanana
«Asandratro ny fireneko» nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Live Hotel Andavamamba omaly. Ohatra mibaribary amin’izany ny fanimbana ny orinasam-panjakana rehetra nanomboka tamin’ny taona 1999.
Misoko miadana
Misoko miadana ny teti-dratsin’ireo vahiny mpanjanaka ahafahana mifehy indray ny fitantanana ny fiarahamonina eto Madagasikara ka mahatonga ny Malagasy ho tompony mangataka atiny eto amin’ny tanindrazany. Endrika fanjanahana vaovao tsy miafina amin’ny rehetra ny fanapotehana ny orinasam-pitaterana Air Madagascar ankehitriny toy ireo orinasam-panjakana Malagasy 46 hafa nanana ny maha izy azy talohan’ny taona 1999. Iraka voalohany nampanaovina ny mpitondra ny firosoana tamin’ny fisintahan’ny fanjakana teo anivon’ireo orinasa goavana Malagasy. Paikady faharoa nampisahanina ny mpitantana firenena Malagasy ny fanalalahana ireo sehatra nofihinin’ny fanjakana. Nirosoana tsimoramora avy eo ny fivarotana azy ireo tamin’ireo mpanambola vahiny frantsay sy karana dia isika indray amin’izao fotoana izao no manofa amin’ny sandany tena lafo toy ireo fiaramanidina ampiasain’ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka Malagasy.
Olan’ny tany
Tranga iray hafa manaporofo ny fanomezana vahana ny vahiny asehon’ny mpitondra Malagasy ny maha saribakoly sy iraka mpanatanteraka azy ihany koa ny olana mampifanolana azy amin’ireo mpiasam-bahoaka eo anivon’ny sampandraharahan’ny fananantany, hoy ny fikambanana «Asandratro ny fireneko». Raha voasakana sy voarara ny fangatahana tanim-panjakana ho an’ny vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana dia malalaka kosa izany ho an’ireo lazaina ho teratany vahiny mpampiasa vola eto Madagasikara. Tsy fampitahorana na famendrofendroana akory fa ny Malagasy tompon-tany indray no horoahana hiala eto amin’ny tanindrazana raha izao fandehan-javatra izao, hoy ity fikambanana tarihan’ny profesora Ratsimba James ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.