Anisan` ny misongadina amin` ireo raharaha nalefan` ny SAMIFIN teny amin` ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin` ny kolikoly (PAC) ny raharaham-barotra amin`ny fanfarana entana.
Eo koa ny fialana amin` ny fadin-tseranana na ny ladoany amin`ny alalan` ny hosoka ara-ketra. Manampy izany koa ny fandosirana na fialana ny hetra. Raha tsiahivina, 400 miliara ariary ny ahiana ho famotsiam-bola sy kolikoly ary fanodikodinam-bolam-panjakana tamin` ny taona 2019 raha toa ka 133 miliara ariary ny taona 2018. Namoaka tatitra amin` ny asa vitany nandritra ny sivy volana tamin` ity taona ity ny teo anivon` ny SAMIFIN ka tranga mampiahiahy miisa 125 no voarainy. Miisa 116 ireo raharaha efa vita fanadihadiana miampy trangana famotsiam-bola miisa 78. Tsy lavina fa tsy mbola misy firenena mahafehy 100% ny ady amin`ny famotsiam-bola na famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana izany hatreto. Araka izany dia mila manatsara ny lalàna no sady mampihatra izany isika eto Madagasikara mba hahafahana manakaiky ny fenitra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.