Efa voaatitra soa aman-tsara ilay vola 3.789.600 Ariary voangona tamin’ilay hetsika tolo-tanana ho fanampiana an’i Nono izay mila fanampiana noho ny aretina mahazo azy, araka ny tatitra nataon’i Dama sy Dadah omaly teny Ankorondrano
Nankasitraka sy nisaotra ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fampisehoana notanterahana teny amin’ny Coliséum Analamahitsy ny 29 mey 2014 teo ireto solontenan’ny tarika ireto ka nosinganin’izy ireo manokana tamin’izany ireo mpanakanto miisa 25 nifandimby niaka-tsehatra maimaimpoana nandritra io tontolo andro io. Mbola ho lava sy maharitra anefa ny fitsaboana an’i Nono, hoy izy mirahalahy ka tsy maintsy mandray andraikitra ny tarika Mahaleo. Nanapa-kevitra noho izany ny mpikambana fa hiaka-tsehatra ho fitadiavam-bola hanampiana an’i Nono. Mbola ho fantatra amin’ny manaraka ihany moa ny andinindininy mikasika izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.