Naharitra ora telo teo ho eo ny fiarahan’ny tarika Green sy ireo mpankafy azy tetsy Antsahamanitra omaly alahady. Fahombizana no azo hamaritana ny seho. Naverin’i Jacquot sy ireo mpiara-misehatra aminy ireo hira tsy tontan’ny ela nahafantarana ny tarika Green.
Nafana ny lanonana, ary tena tsapa fa nifandray am-po tamin’ny alalan’ny mozika Rock ny mpihira sy ny mpijery. Santatra am-bavarano ihany iny satria raha araka ny fantatra dia ho avy masiaka eo amin’ny sehatry ny mozika amin’izay ry Green. Am-piketrehana rakikira vaovao izay hivoaka amin’ny 2015 ny tarika no sady hanohy hatrany ny fitetezam-paritra. Tsapa tamin’izao seho omaly izao fa tena mbola manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny Rock sy ny tontolon’ny mozika amin’ny ankapobeny ny Tarika Green ary vonona hanolotra zavatra matihanina kokoa hatrany ny mpankafy azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.